Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina. Rom 15:13
.
Ny FLM Fanantenana Toamasina dia faly miarahaba anao tongasoa eto amin’ity tranokala fitoriana filazantsara ity. Isaorana Andriamanitra fa tolon-kevitra avy Aminy no nahafahana nanatontosa izao pejy fitoriana izao. Ho hitanao eto avokoa ny toriteny, ny fampianarana ary ny fijoroana vavolombelona samihafa arakarak’izay itarihan’ny Fanahy Masina.
.
Mahatoky Andriamanitra, mihazona ny fiangonany amin’ny Sandriny Mahery Izy :
Hatramin’ny taona 2015, niatombohany, efa in-2 ny trano fiangonana no rava fa narenin’i Jesosy hatrany. Hatramin’ny taona 2017 ka hatramin’ny 2022, saika isan-taona dia nisy hatrany ny zava-dehibe nataon’i Jesosy teto amin’ny fiangonana :
- 2015 – Nanomboka ny fotoam-pivavahan’ny Kristiana voalohany teto amin’ny FLM Fanantenana.
- 2017 – Nitsangana ny trano fiangonana tao aorian’ny faharavan’ny trano voalohany,
- 2018 – Nitsangana ny trano fiangonana tao aorian’ny faharavan’ny trano faharoa,
- 2019 – Vita ny Alitara,
- 2020 – Nanomboka ny Ezaka Tokotany,
- 2021 – Nahita tokotany ho vidiana ny fiangonana,
- 2022 – Vita ny Ezaka tokotany, nokotanana ny KTLM Antsan’ny Fanantenana, vita terrassement ny tokotany.
Santionany amin’ny asa nataon’Andriamanitra teto amin’ny fiangonana ireo. Ny antsipirian’ny tantaran’ny fiangonana dia ho hitanao ato : Tantaran’ny Fiangonana.
Maro ny fahasoavana izay nirotsaka isan-tokatrano nandritra izay fotoana rehetra izay.
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra.